FIAINAKO IZANY (Nic Coper Ofisialy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fiangaviana ny ahy, ny fiainako aza idirana
Satria ,Tsy mba nanosy anao aho, na nijaly na sahirana
Ka isanandro izao, ny fiainako, no ataonao foto-dresaka
Fa tano ho anao ny hevitrao, dia misaotra betsaka.

Mba avelao aho hiaina , fa aza korotanina
Fa tsy hisanandro izao manenjika, dia avy eo vao mody fanina,
Enoko daholo anie, ireny fosafosa ireny e
Fa izaho no mandefitra, dia aleoko tsy miteny.

Foronina daholo, zao rehetra rehetra izao
Dia sokirina i rafotsy, dia sokirina i ravao
Mba hafahana mahita , hitsikerana ny fiainako
Na dia tsy mahatsapa akory, izay tena hiainako

Dia faly ery, manejika, mifosa, manaratsy
Raha sendra misy lesoka , hita taratra ety amiko
Mbola hitsofoka tsy lera, ao antranoko, aza atsy ho atsy
Dia tsy taotra tsy henatra, hitsikilo ny ao ambilaniko

Ny ahy dia tsotra fotsiny, avelao aho re mba hiaina
Ka izay fiainako eo na ratsy aza, dia aza hiasana saina
Izao angamba ataoko, tsy mbola niditra ny anao
Noho izany hiangaviko ianao , ny fiainako avelao

Tsy hilako ny hevitrao , ny fitondrako ny fiainako
Ary na sahirana aho, tsy ianao no hitarainako
Ka ny fiainanao no ataovy, izay ahatsara anazy
Avelaonao ny fiainako, dia « allez ianao, dégage »….

Tsika aza mifanadala, fa ny fiainana efa sarotra
Aza terena hamono aho, fa izaho tsy te hidaroka
Ka aleo mba hifanaja ,sy samy miaina ny azy
Fa aza mba ny fiainako, no ataonao vazivazy

Tsy fahalalam-pomba, ny miditra amin’ny fiainan’olona
Ka atsaharo hatreto, ny fidirana amin’ny fiainako
Fa tsy hisanandro izao , dia ny ahy no ataonao tolona
Nefa tsy ainao akory, ny tena zioga hiainako

Atsarao ny anao , dia ataovy misongadina
Fa ny fiainako na ratsy aza, tsy misy idiranao
Ny fiainanao aza « aotra », raha atao laza hadina
Nefa toa ny ahy, no mba enjehinao lava izao

Ka fiangaviana oa ny ahy, ny fiainako aza idirana
Fa tsy ho atakaloko ny anao io, na mampijaly ahy manahirana
Ny anao no hiainanao, ary ny ahy no hiainako
Ka Noho izany re, mba avelao ny fiainako
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
68 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nic Coper Ofisialy
Nampiditra : francillon
Daty : 27/09/2024 05:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0192