SAMBATRA (Nic Coper Ofisialy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekeko, fa sambatra aho ety an-tany,
Raha nahazo anao, ho silakin’ny aiko
Tsy sangisangy, na koa haniany,
Fa ianao no hany, iankinan’ny saiko

Sambatra aho, eny ka sambatra ery
Fa fo roa ho iray, no nifankatia
Tsy sarotra akory, fa mora tokoa,
Satria izay anao, dia efa ahy ihany koa

Ny fitia taminao, no nahasambatra ahy,
Fa Nameno ny banga rehetra taloha
Ny tompo nanambatra koa moa nahay,
Nahavita nanambatra, fo anki’roa…

Tena sambatra aho, tsy laviko izany,
Satria ianao no efa harenako an-tany
Ka Ekeko ianao, ary ekeko tokoa ,
Satria tena ianao, ilay safidin’ny fo…
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
373 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0134