DISO (Nic Coper Ofisialy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manaiky aho eto anatrehanao, androany fa diso.
Ka tsy hanamarin-tena intsony, na androany na rampitso.
Satria ny olombelona manko, tsy mba misy tonga lafatra,
Ka tsy mety raha izao indray, no andeha hanamirin-tena fatratra.

Eny, diso aho raha toa nanaiky nobaikon'ny fihetsem-poko loatra.
Ka Tsy nahatana ny fihetsiko sy ny teniko, ka lasa tafitroatra.
Fa na be fandeferana aza aho, mba olombelona ihany.
Mba mahare marary ihany ,na hatr'izay aza niezakiny tsy hitomany.

Mba misy ihany koa ireo fihetsikao, no mety maha tohina ny foko.
Misy ihany koa ireo teninao, no indraindray manjary mampanjoko.
Fa izaho no miezaka ny tsy miteny, satria efa nahazo ny hoe be taraina.
Ka matahotra sao isakiny hiteny, dia hitarika ady mandra-maraina.

Tsy hiteny aho nefa hoe: marina ireo nataoko, na nety.
Sanatria aho no ilaza aminao fa hoe: izaho no tena "vedety".
Fa manaiky aho fa diso, ary io amin'ny lafiny maro.
Ka noho izay ahadisoako izay, no mahatonga ahy ivalo.

Mifona aho ,mivalo aho, manaiky aho fa diso
Mitalao aho, mba mamelaha ahy re, ra sitrakao ry piso.
Fa tsy fidiny ho ahy, raha toa ka diso saro-piaro.
Ao mba raiso re, raha toa ka mba mivalo

Tena tsifidiny ho ahy, raha toa ka mora tohina,
Fa ireo ratram-po taloha, no mampalemy sy nandona
Ny fo koa diso tia be loatra, ka lasa toa nibaiko.
Nanjary tsy voafehiko avy , atramin’ity saiko

Manaiky aho fa Diso anefa, na izany aza.
Satria noho izany, dia tafanao fihetsin-jaza.
Dia tsy nahatadrim-pihetsika, tsy nahafehy vava.
Ka ireo zavatra nataoko, no toa vao may nandrava

Diso aho ka mifona, mivalo mitalao
Noho ireo vava sy fihetsika, nataoko taminao
Satria Sanatria ny vava, ny nanao hoe fanahinina
Saingy efa diso aho, ka aleoko izaho mangina

Mino sy mivavaka aho, ny ho voavelanao indray andro any
Ka ho tsapanao fa tsy vokatrin’ny foko anie, izany adisoako izany
Fa olombelona ihany aho, ka mba sendra fahalemena
ka mangataka aho re, mba raiso ny fifonako, raha mbola azo ekena

toky no apetrako, ny amin’ny hoe tsy hamerina
ireo ahadisoana vitako, izay efa nampanenina
ka mba mamindraha fo amiko, sy mamelaha ny eloko
toy ireo adisoanao rehetra, izay efa noleferiko…
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
65 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nic Coper Ofisialy
Nampiditra : francillon
Daty : 22/08/2024 10:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1337