ANDRIANIKO NY TENIKO (Nic Coper Ofisialy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsara ny an'ny hafa , fa ny ahy koa andrianiko,
Reharehako, tsy foiko, ka tiko sady mamiko.
Hizarako ny hafaliana, hilazako ny mahasoa,
Hoentiko ho porofo, fa reherehako tokoa.

Eny, Andrianiko ny teniko, hitoriako ny vaovao,
Ary asehoko ny akantony, ka ho aderako aminao.
Ny vaovao mahafaly, no hotoriko aminazy,
Ka hibitahako tsy ho laitra, ny haneoana azy.

Masina ny teniko, ka tsy atakalo no tsy amidy,
Fa tenin-drazako io, ka ho ahy dia sarobidy,
Fa tsy mba mihena mitaha , oharina amin’ny hafa
Nafahako nandroso,sy nanampy ahy ho tafa

Teny gasy, tenin-drazako, tsara sady meva
Ka sady Kanto sy mirindra, no sady koa maneva,
Miavaka raha teny, tena lafatra tokoa,
Fa na ny kalo na ny tonony, maharesy lahatra avokoa

Malagasy aho ary, tia teny gasy
Rehereha sy hasiny, ny fampiasako azy
Ka folahiko ny hafa, nefa ny ahy andrianiko
Mba ho lovain’jafy, sy ho an’ireo taranako
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
84 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nic Coper Ofisialy
Nampiditra : francillon
Daty : 08/08/2024 09:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0565