FARA VELOMA (Nic Coper Ofisialy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha miatrika ahy ianao, dia tsarovy aho fa efa sambatra,
Efa lasa lavitra, amin’ny tontolo iray tsy fantatra,
Eny, lasa aho satria, tonga ilay fotoana,
Andaozako ity tany, ka andinganako ny havoana.

Tsy ny anilanao no halako, akory, sanatria,
Fa ny fiainako hatreto, no efa diso toa mania,
Ka tsapako ankehitriny, fa ny mandeha no mety,
Ka aoka mba hamela ahy, raha handao vetivety.

Eny, vetivety hoy aho, satria tsy mbola vita anio,
Fa na ho ela na ho haingana, mbola hihaona, tadidio.
Tombon-dàlana ny ahy, raha toa hialoha làlana,
Safidy efa tapaka, ka aoka tsy ho sakanana.

Mamindrà fo amiko, raha toa aho ka tia tena,
satria fotoanany ankehitriny, fa efa be ireo nomena,
ka aleo aho mba hitsinjo, izay hahasambatra ahy indray,
hiatrehako ilay ora, izay hihaonako amin’ny Ray.

ka fafao ny ranomaso, dia aza malahelo,
fa trotroy am-bavaka aho, ary avereno in-telo,
mba ho tso-drano tsara orina, sy enta-kely tonga lafatra,
raha toa ka tenin’Andriamanitra, no hoentiko miakatra.

Tohizo izato fiainana, ary arao fiadanana,
Fa aza miasa loha, hoe iza indray no ho lasa namana,
Mba hiara-hamavivaky, izao tontolo izao,
fa raha lasa ny iray tonta, dia hisolo iray vaovao.

Tsy ho lavitra aho, fa hijery anao foana,
Hiahy sy hiambina, mandrapahatonga ilay fotoana,
Tsi maintsy hihaonantsika indray, indray andro any,
Izay efa any ankoatra fa tsy eto ambony tany.

Ka misaotra mankasitraka, tamin’ireo fotoana,
Izay na mamy na mangidy, dia niraisantsika foana,
Ka Aza manadino, izay ihany no mba hafatro,
Tsiahivo ny fisiako, tamin’ny kely izay mba tratrako.

Zay no ela, izay no haingana, fa lasa aho ankehitriny,
Hamaky ny habakabaka, sy iny lanitra iny.
Efa sambatra aho izao , ka aza malahelo intsony,
Sady Efa tonga ireo Anjely, fa dia veloma hono.

Nic Coper Ofisialy
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
190 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nic Coper Ofisialy
Nampiditra : francillon
Daty : 29/07/2024 07:57
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137