MBOLA IZAHO IHANY ITY (Nic Coper Ofisialy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mifoha Aho Maraina , dia mamonjy trano fisainana;
Mandefa heritreritra, mandinika ilay fiainana,
hoe: anahoana indray re, ity tontolon’ny andro ?
ho vita soa mantsara ihany Ve, mandrapaha atoandro ny andro ?

Miala avy ao Aho dia misasa; ary avy eo Mandeha mitaratra,
Dia miresaka amin’ny tenako , sy manongo tena fatratra
Tao mbola za ihany ity? Ilay omaly tsy miova, fa i ra be sedram-piainana,
Dia mbola za ihany ity, ilay zatra niady irery, ka tsy mba manana hitarainana.

Miomana Aho avy eo, dia Lasa indray Mandeha miasa,
Manenjika Fotoana , sy manao ireo izay tratra...
Mihezaka mitsiky, mba hitovizana amin’ny olona,
Miezaka mitraka, na mahery aza ny tolona…

Satria ilay tolona amin’ny fiainana, tao tsy mba sangisangy,
Fa vao Milavo lefona eo, dia efa mampamangy.
Ny vidim-piainana tsy Mora, sy mafy be ny mihatrika azy,
Ilay fitediavana etsy andaniny, mamely mafy toy ny sazy.

Ny fitiavana etsy ampita efa , Dona iray mandrirotra,
Ny manodidina ihany koa, mbola sedra bé mangilotra.
Izany rehetra izany, no atrehina avokoa,
Ka tsy mitsitsy anao, fa tao mampiasa loha.

Dia atrehinao ireo ady, izay tsimaintsy ho atao,
Satria ianao hoe bandy, ka tsy mahazo mitalao,
ka rehefa vita indray ny androany, dia miomana ny hody,
dia efa izay ihany sisa , no mba hàny fanafody.

rehefa tonga ao antrano, dia soloina ny akanjo,
avy eo mikenikenina, mikoropaka nahandro,
dia miezaka maka aina, no sady mamisavisa,
misaina mangingina, izay tandroany rehetra vita.

Vita ny sakafo, dia lasa indray matory,
mandinika ireo vita nefa, tao mbola boribory,
Dia manongo tena ianao hoe, mbola zaho ihany ity;
Ilay bandy kely isanandro, no miady mafy ery,

Ny mba hanana ny toerany, eto anivon’ity fiainana,
Ka te hiezaka ny hitraka, na tsy manana hitarainana,
Nefa mbola zaho ihany ity, ilay tsy kivy fa mahatoky,
Fa raha mbola misy koa ny ampitso, dia ho tanteraka ireo nofy.

Dia Mbola zaho ihany ity, ilay bandy be fanantenana,
Fa efa miandry ahy any ho any, ilay fandresena be tsy ho tana,
Ka mbola zaho ihany ity, ilay rehefa hatory indray androany,
Dia manantena mbola hifoha, ka hahatratra izany ho avy izany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
103 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nic Coper Ofisialy
Nampiditra : francillon
Daty : 29/07/2024 08:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138