TIKO IANAO (Nic Coper Ofisialy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiko ianao, izay no azoko ilazana azy
Tena matotra, fa tsy sanatria hoe vazivazy
Satria tsisy teny hafa, afahako manazava
F’izay teny izay, no mahalaza azy, indray-bava

Maro ireo manja, izay hitako isanandro
F’ianao ihany no ato an-tsaiko, na maraina na atoandro
Tiko avy eny ambony, ka tonga hatrany ambany
Tiko tsotr’izao, n’iza n’iza no hanontany

Tsy mahay kabary lava aho, na fitia toriteny
Ary tsy mahay mandrapaka ; toy reny voay ireny
Fa ny ato ampoko ihany, ny ahy, no aiko ambara
Hoe : fahasambara-keliko, no miantso anao « malala »

Tiko ianao dia zay, fa tsy aiko ho azavaina
Tsisy hafa tsy ianao no ato an-tsaiko, vao maraina
Tsy misy teritery, fa tena tia tokoa
K’izay momba anao rehetra, dia laniko avokoa


Ianao noTiko bika, tiko toetra, tiko endrika
Maro ireo vehivavy, f’ianao no hitako mendrika
Tiko tsotr’izao, fitia tsy mifangaro
Safidy iray mitokana, teo anatrehan’ny maro

Raha misy ny ahiahy, dia aleo fa ho fafako
F’ilay fitiavako azy, no mikoriana anaty rà-ko
N’iza n’iza anakiana, sy hiseo anaratsy
Tsy ampiova ny fitiavako, na ankehitriny na atsy ho atsy

Tiko ianao ry manja, fitia avy amin’ny fo
Ary hiriko mba ho raikitra, raha ny amintsika roa
Efa ianao ilay nofinidiko, anatin’ireo maro
Ka tsy ho banga ilay fitiavako, no sady tsy hifangaro

F’efa amafisiko ilay teny, amin’ny hoe : ianao no tiko
K’izay ankoahatranao rehetra, dia tsimaintsy ariako
Ho fanajako anao,sy ilay fitiavako mafonja
Tamin’ny namotsoranao, ilay foko efa voafonja

Ka Misaotra mankasitra, fa tena sambatra aho
Fa Nidiranao tsy lera, ny tao ampoko toa
Dia sitrana avokoa , ireo karazan-dratram-poko
Ka nivadika fitiavana, ireo jaly sy toloko

Mino aho, fa inoanao, zany teniko izany
Satria avy amin’ny fo, fa tsy hoe am-bava ihany
Ka Mba Raiso re Ry Manja, ilay fitiavako anao
Ka aoka ny amintsika, hanomboka eto izao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
226 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nic Coper Ofisialy
Nampiditra : francillon
Daty : 06/08/2024 12:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139