TSY KISENDRASENDRA (Nic Coper Ofisialy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy kisendrasendra, fa lahatrin'ny fiainana,
Ny fihaonantsika, sy ireo zavatra efa niainana.
Tsy kirendrasendra, fa tantara efa voasoratra,
Fa ianao no hanasitrana, sy hanaisotra ireo olatra.

Vatany vao hitako, avy hatrany dia efa aiko,
Fa ianao no ho silako, ho fanampin'ny fanahiko,
Ho famenon'ireo banga, izay tsy ampy taty amiko,
Izay efa sitrako sy laniko, fa tiko sady mamiko.

Tsy kisendrasendra, no nasahiko nampiresaka,
Fa fo tena tia, no nanosika ahy im-betsaka,
Hanam-pasahina, ny hiresaka aminao,
Ka nahatonga antsika, amin'izao fotoana izao.

Isaorako ny tompo, fa nanome anao,
Nafahako nanorina, izato fiainana vaovao,
Tsy kisendrasendra, fa tena hoe lahatra,
Izay tena hoe tiako, sy fifaliako fatratra.

Afaka ny gejako, no sady mbola sambatra,
Satria,Sanjila roa , no indray mandeha nitambatra.
Afakin'ny ratsy aho, dia nahazo anao, ho soa,
Ka izay ilay tsy kisendra, fa vintana tokoa.

Iriko ny amintsika, ho mafy horina, aharitra,
Ka ny fitiavantsika, mba hamiratra finaritra,
Mba hahita azy avokoa, izao tontolo izao...
Ka ho fitia hirin'ny maro, ny ahy sy ny anao.

Satria, tsy kisendrasendra, fa safidin'olon-droa,
No nifanaiky, fa hanambatra, ilay fitia tao ampo.
Ka nanome izao, fasambarana izao.
Izay tsy hafa akory izany, fa ny antsika sy anao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
113 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nic Coper Ofisialy
Nampiditra : francillon
Daty : 30/07/2024 07:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5099