Mama [Fetin'ny Reny] (Nisainana RAFETRARIVO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay neny tiako, nitondra ahy foana
Niaritra ny mafy, niaritra ny fotoana

Mama tsy foiko, tiako loatra ianao
Nitaiza nanabe, hatramin'izao tsy mandao

Tsy mananko-homena aho, vola na harena
Fa teny mamy kely sy zoto arahim-pahendrena

Firariantsoa ihany koa, mba ho salama lalandava
Ho lava andro iainana, ho taratry ny mazava

#Miarahaba sy mirary Soa ny Reny rehetra
#26Mai2024Amb/laozana
--------
Rohy:
146 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nisainana RAFETRARIVO
Nampiditra : NISAINANA
Daty : 26/05/2024 13:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1123