Namako (Nisainana RAFETRARIVO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taratry ny masoandro maraina
Izato tsikinao mamiratra ho ahy
Ilay fijery manome toky
Mampivelatra ny fanahy

Raha iny ianao tsy hita kely
Toa mangina ilay tanàna
Tsy handry ny hiverenanao
Satria ilaozana hafanàna

Ianao ilay akamako
Mpampahery ahy, sendra hakiviana
Ianao ilay mpandray ny tanako
Iny isika mifamihina

Mifampizara hafaliana, mifampilaza alahelo
Mifamaha "Problème", mitantara tsiambaratelo

Namako ianao, havako ihany koa
Isika hifampizara foana, na ny ratsy na ny soa

#Nisainana17Mai202407h24mnHarivaAmbohitsilaozana
--------
Rohy:
311 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nisainana RAFETRARIVO
Nampiditra : NISAINANA
Daty : 17/05/2024 16:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148