Nofy (Nisainana RAFETRARIVO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao fa hiezaka tsy hijery akory
Hanadino ireo lasatsika,
Hitopy any ankafa f'efa ory
Fa ny antsika tsisy fika instony

Hinihiko ho hadinoina, na sarotra aza izany
Handingan'ireo pejy, hamafa tantara mamy

Ho mafy ihany izany, satria tiko loatra ianao
Toky volamena, Voady sarobidy
No nifanekena saingy tsy tadidy

Na ireo sarintsika roa, tao anaty galerie
Tsy mety voafafako,fa voatahiriko aty

Mamy ny lasa ka tsy fanadino
Ianao nahita olonkafa navita nanary
Mangidy ilay fisarahana ka tsy mampino
Nofy, nofy ilay izaho sy ianao rano sy vary

Marary ka hiafiko ny hialanao ry tiko
Hataoko ahoana fa mety hahatsara, ilay fikasana sy faniriako.

.

#Nisainana #20240429Lun
--------
Rohy:
91 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nisainana RAFETRARIVO
Nampiditra : NISAINANA
Daty : 29/04/2024 18:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157