Mpinamana ihany (Nisainana RAFETRARIVO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitoniko fa manahirana
Izato fihetsikao madamozely
Sariadriaka fijery, miaviavy fomba fiteny

Hialako tsiny Sao hataonao miavona
Sao handrava ny efa miorina
Hiarovako ilay fitia, ka aleo samy mionona

Mba tsy hisy nenina, oe tahak'izay
Any aorina kely ao
Ka aleo hitsahatra amin'izay, ilay fitia toa kilalao

Dia mpinamana ihany ny hifandraisantsika sy ianao
Ka aza atao mampahory fo, ilay nitia tao anaty tao


#Nisainana2024Mai18Alaozana#
--------
Rohy:
188 1
Mpakafy: NISAINANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nisainana RAFETRARIVO
Nampiditra : NISAINANA
Daty : 18/05/2024 04:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204