alahelo (njaf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tomany anao ny foko
ka lasa toa tsy nahy
nandrafindrafi-teny
dia zary toa tsaroako
ny niainantsika rehetra
teny rehetra teny
sy hatramin'ny fahakely
ianao lay zazazaza
mbola nibadabada
tsy mbola nahay niteny
... dia teny mantsy teny ...
dia lasa ny fotoana
ianao nitombo taona
f'izaho toa zaho ihany
nifankahazo isika
nifandray am-po
sy nifananihany
dia zary latsa-paka
ny fifankatiavantsika
ka ny namana rehetra
raha vao nahita antsika
dia toa nitsiriritra
tsy vitsy tamin'ireny
no mba nanipy teny
fa mba maniry ho eny
kanefa tsy mba sahy
ka toa nangahiahy
dia nolalovantsika
sedra maromaro
toy ny hasarotam-piaro
sy ola-mifangaro
dia nolalovantsika
tsiky tsy mba ritra
fijery toa mampita
fifankatiava-mamy
sy toa tsy mety lany
kanjo tampotampoka
nisy rivotra hafa
nipoaka dia nipaka
ka toa nahazo faka
nisavorovoro teny
dia ianao nilaozan-teny
ka na ny masontsika
raha toa ka mifanopy
dia toa mitsilopilopy
isika rahateo
raha toa ka mifanena
toa zary mihenahena
fa ny ahy ny faniriako
ho nofy ratsy izany
ka toa mandalo ihany
--------
Rohy:
2306 1
Mpakafy: njaf
Hevitra mandeha
Mevasahaza ( 16/10/2013 07:57)
ny ahy ny faniriako
ho nofy ratsy izany
ka toa mandalo ihany
tena mis mits io fa indraindray koa anie tsy miankina amin'ny tena ilay izy fa mety noho ny manodidina e!d tsy afa-manoatra!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njaf
Nampiditra : njaf
Daty : 19/09/2006 06:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0139