AZA (njafah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA

Aza asiana sento akory
Ity fiainana mandalo
Fa ny zava-mampahory
Avadiho ho tononkalo

Aza asiana sento akory
Ianao nilaozan’olotiana
Ny alahelonao fongory
Ka soloy ho fifaliana

Aza asiana sento akory
Ny hasoparan’ity tany
Handanianao aina hitory
Ity harena mora lany

Aza asiana sento akory
Ny tsy fisiana iainanao
Fa ny lalànao no hizory
Hahatratra tanjona vaovao

Aza asiana sento akory
Ny tsy fitovian-jo manjaka
Hiasanao saina tsy matory
Ny ratsy fanahy mahazo laka

Aza asiana sento akory
Ny asa izay mandrerak’aina
Ny fandresena no tomory
Dia ho foana ny taraina.


Fanja (19/12/06 )
--------
Rohy:
1142 0
Hevitra mandeha
vanjanofy ( 27/04/2007 11:14)
Raha hisolo hanjary ho aza ny fiainanao manontolo
Tsy ho lasa bobongolo?
Nefa......
Aza ataonao mampanahy
ny rediredin'ny fanahy
mba nataoko ho solon-tsiniko
fa iny no AZA manadinoko
njafah ( 28/04/2007 07:08)
vanjanofy a!
Ka raha tsy asiana " aza" ny fiainana iainanao
Dia ho reraka ny loha miasa saina lava izao
vanjanofy ( 30/04/2007 14:03)
Tsara ny "AZAnao" miavosa
ekeko izany, nefa kosa
ny "AZA" iainanao an-tany
moa tsy kirin-tsaina ihany!?
nefa hoy aho...
'ndeh tohizo ihany
ny "AZA" efa niainanao
F'izay no maha ianao anao!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njafah
Nampiditra : njafah
Daty : 18/04/2007 13:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104