You are here: home > Vetso

MANANTENA - njafah

Azo vakiana?

MANANTENA

Manantena tsy ho kivy
Na dia mizaka ny mangidy
Sy fiainana misondro-bidy
Eny fa na dia kibo noana
Ny kely ananana aza foana
Tsy maintsy hamiratra ny andro
ka ho matsiro ny nahandro

Manantena tsy ho kivy
Tsy ataoko handany ivy
Ny enjikenjiky ny hafa
Ka handaniako ora hitafa
Fa vao maika hampiezaka ahy
Hijoroko mba ho sahy
Hanova saina, fo ,fanahy

Njafah

Hevitra mandeha

visiteur (12/03/2007 12:19:22)

milay zany e

narini (17/04/2007 10:58:03)

tena marina aloha e!!

Mombamomba

Mpanoratra : njafah

Nampiditra : njafah
Daty : 24/02/2007
Mpamangy : 1128
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

HAMBO-POKO
FANIRIANA TSARA
AZA
ASA SORATRO HO ANAO
TSISY NENINA
ALEOKO IHANY ...
NAMAKO
Misy farany
SAFIDIKO ANIO