SAFIDIKO ANIO (njafah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany aho aloha mba haka aina kely
Fa reraka ny saiko tsy hita velively
Ny foko koa hatsahatro tsy hitempo anao
Ka tsy hahatsiaro intsony ny ady izay fanao

Tsy ny ady ihany no hadinoko izao
Fa ireo fitia sy tambitamby nomenao
Andramako indray ny handeha irery
Hiova tsy hisy anao ny fomba sy fijery

Toa mahafinaritra ahy ilay mandeha irery
Ny sitrapoko vita tsy misy teritery
Ny saiko koa milamina tsy miasa firy
Dia tohizako rahampitso fa tsy sanatria hoe kiry

Afaka ny ampitso asa hanao ahoana?
Hitohy andeha irery sa hanana fotoana?
Dia mbola ianao ihany sa olon-kafa indray?
Ka mandra-pahoviana sa ho mandrakizay?

Safidiko anio sy ho ampitso koa
Antenaiko indrindra hitondra voka-tsoa
Any andro iray ity foko kely ity
Hitempo foana foana ho henika fitia

njafah 27 nov 2006
--------
Rohy:
1397 0
Hevitra mandeha
njaf ( 28/11/2006 06:09)
mankasitraka e, tsy hitako intsony ny ambara fa tsara ilay izy toa manamporofo koa fa ilay vacance kely ihany na ny fiainan'olon-droa aza indraindray sa tsy izany ?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njafah
Nampiditra : njafah
Daty : 27/11/2006 15:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135