FANIRIANA TSARA (njafah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANIRIANA TSARA

Iny alaheloko iny dia ho afaka ihany
Iny sentosentoko iny dia ho lasa avokoa
Iny fahoriako iny dia ho voafafa ny tomany
Iny fijaliako iny dia mbola ho fifaliana koa
Eny ! ireo rehetra nozakaiko
Dia mbola antenaiko
Fa hampiratra ny saiko
Mba ho to izay kasaiko.



Tsy ho valifaty anefa no iriko ato ampoko
Tsy ho tody ihany koa no kasaina hahavoa
Tsy ho fingàna tsy akory hahatonga ny toloko
Tsy ho sakana mihintsy amin’izay ihavian’ny soa.
Fa ny faniriana tsara
Ka samy hanana ny anjara
Tsy mba hisy lany zara
Na ny eo aloha na ny ao afara.



Dia reseko amin’ny soa ny toetra ratsy tsy hanjaka
Dia ny fahalemem-panahy no atao mahazo laka
Dia ny fitiavan-tena tsy omena sehatra intsony
Fa soloina fo vaovao, fo tsy misy lonilony
Fo tsy misy alahelo
Fo tsy misy sentosento
Fo tsy misy fijaliana
Fa anjakan’ny fifaliana


Fanja (26/12/06)
--------
Rohy:
1893 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njafah
Nampiditra : njafah
Daty : 18/04/2007 14:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179