njafah
TSISY NENINA!
tsy ho neniko akory zay fotoana ela izay
Niandrasako anao tanaty hery mahamay
tsy noterena sanatria, eny tena tia tokoa
niaritra faka-panahy tsy nitondra voka-tsoa
tsy ho neniko akory ny fitiavana nomena
faly aho satria nahatana fanekena
fa ianao izay nandao tsy ho azoko terena
ka hitalahoko hatrany hoe mba miverena
tsy ho neniko akory zay fotoana ela izay
Niandrasako anao tanaty hery mahamay
tsy noterena sanatria, eny tena tia tokoa
niaritra faka-panahy tsy nitondra voka-tsoa
tsy ho neniko akory ny fitiavana nomena
faly aho satria nahatana fanekena
fa ianao izay nandao tsy ho azoko terena
ka hitalahoko hatrany hoe mba miverena
Hevitra mandeha
njaf (17/11/2006 13:17:21)
mahagaga ahy loatra ilay fitoviana anarana eo amintsika e, sady amin'izay ilay tohiny toy ny hoe olona fantatro fa navadika fotsiny, fa naninona no tsy nasianao ny momba anao tato. Misaotra tompoko
Setriny
Aza sasatra miandry
raha mbola misy fanantenana
aza vizaka mitady
raha mbola misy hazavana
aza reraka miady
raha mbola misy enti-miady
dia aza mampiseho koa
fa efa vizaka sahady
fa izao no andrandrao
mbola hiposaka aminao
Ilay maraina vaovao
njaf
njafah (18/11/2006 12:24:15)
misaotra à fampaherezana e!ny anarana anie tanimboanjo e! mety fantantrao ihany aho fa tsy maninona zany e@manaraka ndray an!
njaf (27/11/2006 12:20:58)
alefaso amin'izay ilay manaraka fa miandry izahay e
njaf (06/12/2006 12:34:43)
bjr ianao, mba omeo asa soratra indray moa fa sasa-miandry eeee
Hametraka hevitra
Midira alohaSary
Hampiditra saryMombamomba
Nampiditra : njafahDaty : 16/11/2006
Mpamangy : 1504
Mankafy : 0
Ankafizo