AIZA MOA IANAO ? (Njakahery ANDRIAMALALA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AIZA MOA IANAO ?

Aiza moa ianao รด r'izato fifaliako ?
Toa tsy tsaronao va re izay mbola fisiako?
Navelanao nangina, navelanao hisento
Dify mantsy ianao, koa velona ny sento

Noentinao va re, ilay tsiky vao maraina ?
Tsy navelanao akory, ny eto izao mangaina,
Moa ve ianao dia nankahala ahy sahady ?
Ka ndositra ny tavako, ny eto izao manavy

Moa ve ianao nahita akanga tsara soratra ?
Tsy mba re akory fa niampita any ankoatra ?
Dia foinao va re e, ilay fanao mahazatra,
Kalokalo hirahira, angolangola hantahanta

Fa nahoana loatra re e, r'izany fifaliako,
Noentinao nitsoaka lavitra ahy izay niriko,
Tsy nampilaza ianao, fa nanidina any ho any,
Tena mafy mantsy lay namafazanao tomany

Moa iza ndray va re e, ny hamelona ny tsiky,
Fanao raha mahatsiaro, tena mila hahakivy,
Moa handramana ihany, satria mbola hiala nenina,
Nefa moa va re ianao, hoe mety mbola hiverina ?

Njakahery ANDRIAMALALA
(20 Novembre 2024)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
76 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALA
Nampiditra : Njakahery
Daty : 21/11/2024 08:17
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.172