AMPIANARO AHO (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPIANARO AHO

Ampianaro hahay handefitra sy hitia ireo fahavaloko,
Ka hivavaka ho azy ireo mba hanova izay kasainy,
Eny na mavesatra ny hampangina izay tsy tantiko,
Eny na mafaitra ny hamela izay nontsaininy.

Ampianaro mba ho tony raha sendra ka sendoatra,
Mba hahay hintsaina tsara ny ho vokatrin'izany,
Eny ny olom-belona indraindray koa mba soloaka,
Tsy maintsy izany mantsy raha mbola mandia tany.

Ampianaro hahay handray izay hevitra tena tsara,
Ka hahay hamaha ny olana mianjady sy manery,
Hitsaina ny anio, hitsinjo ny any afara,
Ampianaro hatrany hatrany tsy hianjera na ho very,

Ampianaro hahay hanaiky izay voalahatrao,
Na ho mora na ho sarotra, na tsiky na tomany,
Fa ny anio sy ny ampitsoko, efa voasoritrao,
Koa na inona hiseho dia tsy maintsy ekeko izany.

Ampianaro mba ho hendry sy ho fitaratra hatrany,
Na mitady hanjera foana ireo fakam-panahy,
Iambeno sao solafaka, satria tsy sitrakao izany,
Fa izao tontolo izao dia mitady hamitaka ahy.

Ampianaro hahay hiaina mba tsy handratra irony namako,
Izay teny rehetra aloakako mba tsy hanindrona ny fony,
Fa izay anatiny any, eny na tsy fantatro,
Mba ho fo hahay handefitra fa tsy ho lolom-po intsony.

Ampianaro hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy,
Fa izay tena iriko, dia ilay avy aminao,
Fa ny anio tsy maintsy atrehana, eny na dia mafy,
Manantena ihany koa, fa eo ianao ilay tsy mandao.

Ampianaro hahay hiaritra ireo ratra sy ireo fery,
Na tsy hionona anio, mbola ho faly raha ampitso,
Hitraka eny foana na marary ireo teny,
Nanaloka ny omaly, fa ny lahatrao tsy misy diso

Ampianaro hahay hanomana ny ho avy sy ny ampitso,
Na baraingo anio izany, dia tsy maintsy ho tonga ihany,
Fa na faly aza ny anio, dia aoka hahay hitsinjo,
Ity lala-miolakolaka mbola lavitra any ho any.

Njakahery
(08 Septembre 2024)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
68 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALA
Nampiditra : Njakahery
Daty : 10/09/2024 10:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.088