ANGAMBA SAMBATRA IZY (Njakahery ANDRIAMALALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANGAMBA SAMBATRA IZY Angamba sambatra izy,
Fa toa tsy reko eto intsony ilay taraina mahonena
raha vao mifoha maraina iny,
Ilay tavany efa kotsa, manjombona mahatsiaro ny lasa vao tsy ela
Fa angamba mety sambatra izy
Ny talahony aminao, iny ranomasony iny, ilay nandritsoka ny fony
Tsy mba reko eto intsony,
Angamba any ho any, mety sambatra izy izay
Fa na andro na alina izy reko teto foana,
Maniry mafy anao kanjo indrisy zava-poana
Fa tsy mba maty tao ampony anie izany lasa izany
Angamba sambatra izy izay fa niampita any ho any
Fa izy teto,
Tsisy hany zavatra hafa f’ianao foana no tsaroany
Anatiny any mitaraina, nefa indrisy mantsy fa ianao anie tsy mba foiny,
Fa dia tazako eto foana rehefa irery iny izy manganohano
Fa ny teninao farany hoe “mandehana rahavako fa tsara tso-drano”
Fa angamba mety sambatra izy
Fa nangina toa tsy nisy, ilay izy nitalaho
Ny hiverenanao fa e! toa tsahotsaho
Tara loatra angamba ianao
Fa angamba nefa sambatra izy
Njakahery ANDRIAMALALA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALANampiditra : Njakahery
Daty : 24/09/2024 19:12