ANJARAKO (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANJARAKO

Tsy vao izao no nifanojo,
Na sori-dalana vaovao,
Fa fony tany anaty kibo,
No efa ary ho ahy ianao

Tsy kisendrasendra akory,
Fa efa lalana voasoritra,
Efa voatsimoka ao am-pony
Saingy izao vao nipoitra

Tsy fitiavana namboarina,
Na fitia nambolena,
Tena sarotra fantarina,
Ny fo koa tsy noterena

Tsy fitia taitaitra,
Tamin'ny endrika sy bika,
F'efa voaomana naharitra,
Ity fitiavan-tsika

Tsy ny fahitana anao anio,
No nampitroatra ny any anaty,
Ny lalan-tsika tadidio,
Efa voasoritra sahady

Koa nahoana izany foko ?
No dia nitia anao sahady ?
Tsy noho ny sento na toloko,
Fa ny anjaran-tsika no efa avy

Ny fonao koa moa mba nahoana ?
No dia nanaiky ahy sahady,
Ny fonao akory tsy zava-poana,
Fa ny foko voatokana ho azy

Tsy takatrin'ny sain-tsika,
Izay lahatra ao ambony,
Ny ampitso : iza moa no hahita ?
Tsy mba haintsika intsony

Koa misaotra anao ilay ANDRIAMANITRA,
Noho ilay lalana voasoritrao,
Ny fitiavanay anie haharitra,
Satria izay no sitrakao

Tsy ho ravan'olom-belona,
Haiko f'izao no efa lahatra,
Na efa maro no nitrerona,
Fitia ny an-tsika no filamatra

Ny fitiavana fitiavana ihany,
Fa ny antsika mistery,
Aok'izay ireo tomany,
Manomboka anio ianao tsy irery

Njakahery ANDRIAMALALA
(14 Septembre 2023)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
86 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALA
Nampiditra : Njakahery
Daty : 11/09/2024 09:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0321