FANIRIAKO (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANIRIAKO

Teny kely iray mafonja iriko fatratra ato anatiko,
Mampitoetra nofinofy tena lalina ato an-tsainko,
Tsaroana toa mavesatra ary koa toa mankarary,
Fa ny tontoloko rehetra, efa vita sarisary,

Zary ratra toa manindrona ny fo fotsiny ihany,
Fa na rahoviana na rahoviana tsy ho fantatrao izany,
Tsiambaratelo irery fa tsy hoe mistery,
F'izay rehetra anatiko any, aoka aloha ho ahy irery.

Ny andro mihalany moa ny fotoana miroso hatrany,
Na hafana toy ny inona tsy maintsy ho levona eny ihany,
Ekeko antsitrapo satria efa tsy tandrify,
Hatramin'izay teny foana nanantena tsy mba kivy.

Tsy mba ho tsapanao akory raha izany faniriako,
Ny hanova izany izay antenaiko dia angamba re ny ampitso,
Nanjohy teny foana, ny omaly sy hatramin'izay,
Resinao tanterako ny fo amam-panahy.

Ny hany sisa antenaiko amin'izao faniriko izao,
Dia rehefa foana ireo sary ka tsy tsaroana intsony ianao,
Fa saingy indrisy raha izany mbola ho sarotra ato am-poko,
Ny hanadino anao tsy mora ka mamelona toloko.

Njakahery ANDRIAMALALA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
73 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALA
Nampiditra : Njakahery
Daty : 13/09/2024 17:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.054