FISAORANA (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FISAORANA
Tao anatin’ny tahotra sy horohoro,
Ray ô! Indro aho nitaraina ka novalianao
Tao anatin’ny alahelo sy ilay tavako kotsa
Nomenao hery hatrany ka mbola toizao

Koa ankehitriny aho faly, ravoravo aok’izany
Ray ô! Sanatria ny hanadino na tsy hahatsiaro
anao anao,
Fa izay ato am-poko rehetra izay tsaoako fa
mitempo,
No indro no manolotra fisaorana androany

Na mavesatra aza Ray ô! Ny heriny nofo
Ka nahatonga ahy solafaka koa indraindray
Tsy mijery izany ianao, fa nampanan-tena ahy
hatrany,
Ny famindram-ponao no mbola anton’izany

Fa aza reraka Ray ô! Ny mihaino izato vavako
Aza reraka Ray ô! Ny mibanjina ny tavako
Fa raha mangataka izahay indrisy tsy afa-po
hatrany,
Tsy mionona ry Ray, mbola mikasa ny any ho any

Fa ny diako mbola lavitra
Tsy ho tazana tazanina
Ray ô! Aza avela irery
Tantano hatrany izany diako

Njakahery ANDRIAMALALA
(Septembre 2023)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
72 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALA
Nampiditra : Njakahery
Daty : 25/09/2024 18:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0234