HAFATRA (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA

Etsy mba henoy kely fa ny androany aho mba hanafatra,
Ialana tsiny aky a, ty tena mbola zaza tsy teny akory fantatra,
Fa teny kely fotsiny ihany, sarisary an-tsaiko ao,
Hosoratako eto anio sy hatokako ho anao.

Androany aho mba hanoratra na tsaroana toa mavesatra f'indrisy tsy azo afenina,
Sadaikatra ihany mantsy, ny tanan-torak'ovitra handray izato penina,
Fa ainga kely mba nanosika, nibitsika nangina hoe : lalina ny fiainana,
Toa hoe any ankady, mainjikitroka tokoa, tsisy havana hitarainana.

Dia injay fa hitanondrika fa ratra ianao ry tany,
Nefa mody mba mitsiky fandrao mantsy dia hitomany,
Nefa ny any anaty any, zary rahona matevina manaloka ao am-pony,
Fa ny lasa mantsy akÿ, hadinoy toy ny tsisy fa tsy hiverina intsony.

Fa ny fiainana ry namako, indraindray mistery fa dia feno fahagagana,
Feno sento sy toloko, toa nandosiran-kafaliana tsy mba toa ilay fahazazana,
Fa tanora ianao izao, tsy zazakely intsony f'efa mba hahay hamindra,
Mandalo anie rahavako, araraoty koa izany, fidio ny tsara indrindra.



Fa any am-ponao any, ilay tena tsara indrindra, eny mendrika tokoa,
Dia ilay fitiavana tsy ritra, velombelona hatrany, eo manohany ny fo,
Fa tanora ianao izao, aza avela hangatsiaka, aza avela ho rava maina,
Hazony mafy hatrany, herezo aky razoky a, fikiro izay antenaina.

Fa aza hadino koa anefa fa io fitiavana io, tsy ho tsikitsiky hatrany,
Mahaiza koa mamindra, sao hianjera mantsy ka ! fandrao koa hitomany,
Fa ny tsara indrindra mantsy, ô r'izato namako, tsy hoe akory volamena
Ny tsara indrindra tsy azo amidy, tazomy hatrany hatrany, tohizo ilay fahendrena.

indray andro any ianao hifaly, mety koa mba hitomany, nefa izao mba tadidio,
Ny dia mizotra hatrany, fa ny lalana mankany no omanina eto anio,
Koa tandremo sao hoe kivy, tandremo hivaloharika, fa ny ety tsy maintsy ory,
Fa raha mila tsy ho zaka, izao soratro eto izao no hanalanao sorisory.

Raha haneho ranomaso, andao atao hoe tsy maninona fa ranomaso fotsiny ihany,
Fa efa haiko foana, fa raha afaka ora vitsy dia ho lasa tsiky zany,
Tsy mora ireny omby, mijoga sy mitaona manintona sarety,
Fa nahoana moa? inoako sy antenaiko fa ianao ilay mpandresy.

Fa aza gaga na talanjona raha toa ka tazanao, manako eny antavako eny,
Ranomaso toa milatsaka mikoriana toa ny rano, voaritsokiny fery,
Banjino fotsiny ihany, hevero ho vazivazy, fa aoka ho ahy irery,
Mety hafaliana izany, tsy ratra tsy akory, averiko ombieny.

Fa ny tanako mangovitra, ny fo feno dia feno, mila ho sendoatra,
Ny diapeniko mihamivilana, sarotra banjinina toa mila tsy ho soratra,
Tsapako any an-tsainko any, ao anatiko ao koa, fa hay mantsy aho ka malemy,
Tsy kivy na ho ketraka, fa mbola hitraka hatrany fa tsy mora koa ny teny.

Fa ny hafatro eto farany, izaho anie hoy aho ka zaza e, tsy haiko akory ny miteny,
Fa raha misy teny tsy ary, ifonana avy hatrany, koa tazomy ho anao irery,
Fa aza avela hiely lavitra, levony ho tonga vovoka, fa izao mantsy razoky :
Anaro aho mba ho hendry, ho filamatra modely, fa tsara ireny toky.

Fa any aoriana any, ny andro hisesy hatrany, raha tafita ianao ka sambatra,
Mba aza hadino aky a, ilay zandry kelinao fahiny fa any mantsy misy hafatra,
Dia izaho matoky hatrany fa na inona hiseho, na inona hisesy,
Zava-poana izany, fa ny zavatra antenainko, iriko ianao mba ho mpandresy.

Njakahery ANDRIAMALALA ✍️
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fiainana
90 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0708