HEVERO IHANY (Njakahery ANDRIAMALALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HEVERO IHANY Ny afo raha mandoro, tsy mba mamela akory na ala iray matevina,
Tsy mifidy rotsan-kazo fa na kely na lehibe dia tsy maintsy ho tonga levona,
Ny raozy raha mamelana na kanto toy ny inona dia ho simba eny ihany,
Irony taolana milevina raha lalovany fotoana moa ve tsy ho lasa tany ?
Ny zavatra rehetra tsy mba azo ianteherana fa marefo toy ny aina,
Toa hoe indray mikipy, miserana dia lasa toy ny zavona maraina,
Misy fisainana toa gaga, manerinery hatrany fa ahoana marina ity fiainana?
Mizanona ho sento any am-po tsamirery satria sarotra fantarina.
Sao varina ka matory fa ny ampitso tsy hampilaza, ny fianana hazakazaka,
Ireo miseho ho toa matanjaka, mihevitena ho mahery, tsy mbola nisy tongalafatra,
Fandrao dia hitaraina hoe tsy afaka intsony fa tena reraka ny tongotro,
Ny sisa andrandraina, ilay tonga sarisary hoe mba oento aho ry nofiko.
Tanora ianao anio, ilay mikendry zava-tsoa mba hanatsara ny ampitso,
Tsy mora anie ry namako, tandremo sao hianjera, tandremo koa sao diso,
Fa soa kofina hahay hitelina, soa malahelo hahay hifaly, soa lavo hahay hamindra,
Fa ny tsara sy ny ratsy na mifanohatra aza, samy lova azo afindra.
Njakahery ANDRIAMALALA ✍️
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALANampiditra : Njakahery
Daty : 17/01/2025 09:55