IZA? (Njakahery ANDRIAMALALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA? Raha tonga ny fotoana ka haniry ato anatiko,
Ilay fitiavana mitsimoka hijoro ho tena mamiko,
Ka hafana sy hitady izay ho anjarany eto an-tany tany,
Hiara-sambatra aok'izany, fa mba ho iza re izany?
Raha tonga ny fotoana ka ho taitra sy hifoha,
Ka havaloko avy koa ireo tantara teo aloha,
Ka handeha mba hanangana akany vaovao,
Fa moa raha tsy ho irery, zovy re no ho namako ao?
Raha tonga ny fotoana ka hafoiko avokoa,
Ilay fahazazana tena mamy hafoiko tokoa,
Ka hanova ny famindra, hiaradalana hatrany,
Hitantan'olo iray, fa mba ho iza re izany ?
Raha tonga ny fotoana ka tsy maintsy hijoro eo,
Anoloan'ny vavolom-belona ka hanandratra am-peo,
Ilay teny efa nomaniko izay efa ela ihany,
Moa sofin'iza re, no mba handrè izany.
Njakahery ANDRIAMALALA ✍️ ✍️
(08 Février 2025)
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALANampiditra : Njakahery
Daty : 08/02/2025 11:55