MANANTENA (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANANTENA

Ô ry lanitra ambony misy taram-pahazavana,
Tsilovy re izany dia fa toa maizina mazàna,
Fa an'eritreritra any ny ho tody soa aman- tsara,
Ka hifaly eram-po sy hahita izay anjara.

Fa efa ela ihany mantsy no naniry mba ho tody,
Kanefa toa marary izay mitady fanafody,
Ny tena toa malemy, ny harapaka tsy misy,
Hatramin'izao mijoro foana, tsy mba resy na ho kivy.

Fa toa tazako sahady raha izany fandresena,
Raha hifarana ny ady, hafaliana sesehena,
Inoako sy antenainko fa ho tonga mantsy izany,
Eny na toa nofy sy an'eritreritro ihany.

F'izay rehetra efa niseho tamin'iny lalana iny,
Ratra avokoa, alahelo sy ny tsiny,
Fo torotoro no nentina niampita,
Dia lesona avokoa, izay rehetra efa vita.

Nefa kosa manantena izay ho tsikin'ny maraina,
Nony ela nijaliana fa toa tany karakaina,
Fa any misy loharano mikoriana tsy mba ritra,
Hanafaka hetaheta sy hanasa ireo vita.
Koa herezo ampitsikiana ity dia miroso hatrany,
Fa raha tonga ny maraina dia ho tsiky avokoa ny alahelo sy tomany,
Herezo hatrany hatrany fa hoe mantsy kely sisa,
Satria tena manantena fa tsy maintsy ho tafita.

Njakahery ANDRIAMALALA ✍️
(11 Février 2025 t@ 22h 45)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
92 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0164