NY FAHASAMBARANA (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FAHASAMBARANA

Ny fahasambarana tsy hitoetra raha tsy henonao ny ventiny,
Amin'ny ora sy fotoana ka higadona avokoa izay rehetra nentiny,
Mety hoe mitsiky ianao, satria faly dia faly,
Fa tsy tsaroanao na iray minitra monja ireo ketokin'ny jaly.

Moa tadidio fa tsy hoe tsy misy intsony ireo ratra fahizay,
Ka feno tsiky izany fiainako ka lavitra tomany, tsy hafasambarana izy izay,
Ny fahasambarana hafa mintsy raha mbola ny eto an-tany,
Moa mba fantatrao ve, na hoe tsapanao izany?

Tsy hoe mitsiky ianao anio, fa milamina ny fiainako,
Ka zary lavitra ny sento ny tontolonao ry fitiavako,
Ka tsy tsaroana intsony, ireo fahiny izay nandratra,
Fa hoe ny anio mantsy, tontolo vaovao sy fiainana efa hafa.

Dia mibitaka erÿ sy mirehaka aok'izany fa tsy misy izay mahory,
Fa dia fiainana tomombana, mirindra sy milamina tsy misy sorisory,
Na harena na fitiavana, tanteraka avokoa koa moa inona indray,
Ny fahasambarana akory tsy zava-maro be, fa tena zavatra iray.

Ianao ve nahatsapa raha toa tanteraka iny izay kinasanao,
Dia faly sy tretritra tsy misy toizany ny androm-piainanao,
Nefa moa mba hafiriana, raha lalovan-taonamaro, moa tsy niova va izany?
Ka hafaliana hatrany, na andro na Alina, fa dia tena sesilany ?

F'ilay fahasambarana, ilay teny tsara indrindra teny henonao matetika,
Izay tena nirinao mafy hoe ho azoko any ho any, nefa ianao dia diso hevitra.
Fa ny fahasambarana anie ka sarotra, tsy hoe falifaly na fiadanana ihany,
Ny fahasambarana tsy hitoetra, ny fahasambarana tsy misy raha mbola eto antany.

Njakahery ANDRIAMALALA ✍️
(10 Février 2025 t@ 18 h 15)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
79 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALA
Nampiditra : Njakahery
Daty : 10/02/2025 15:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0169