REHEFA TONY INY IANAO (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TONY INY IANAO...

Rehefa tony iny ianao...
Ho tantaraiko sy ho lazaiko izay niafina rehetra,
Raha izao mantsy ianao tsy hino,
Ka hilaza teny ratra.

Rehefa tony iny ianao...
Izao no mba fiangaviako,
Na efa niova aza ny fonao,
Ka efa nanana nofy hafa,
Henoy aho hilaza farany izay niafina rehetra.

Tsy hanaloka akory ilay hasambaranao,
Fa ny hany fifaliako rehefa fantatrao ny marina,
Dia hikombona ny vavako,
Hangina ny fitiavako.

Tsy hanao an-katerena na hamoha indray ny lasa,
Ny ho avy mbola ao moa maro koa izay fikasa,
Koa mirary anao ho tony,
Inoako sy antenaiko fa tsy hamafy teny ratra intsony.

Manaiky aho rahavako,
Fa malemy ny fitiavako,
Fa ny fo raha manantena,
Raha voafitaka mahonena.

Satria ianao tsy tia intsony,
Efa rèn'izato sofiko,
Tsisy tsiny anie rahavako,
Ary eny tena tsapako.

Ilay fonao nitia ahy taloha,
Fitia tena nadio, tsy nisy ankiafinafina,
Nafoinao avokoa ny aminao rehetra, tsisy nanam-po hoe: ireny kay voafetra.

Dia indro aho nivadika tamin'ny toky izay nomeko,
Tsy nihevitra ny ampitso fa hay manaraka eo ny sento,
Fa ny fo tokoa rano mafana,
Tsy nihaino na nandre izay fitalahoko akory.

Satria ny andronay aho manantena,
Ninoanao ny androany dia inoako koa ny ampitso,
Mino aho fa ho tony ianao,
F'efa izao no lalan-tsika.

Inoako tokoa fa ao ny ampitso,
Nandre ny foko nitoreo,
Fa ny amiko hatreto,
Baraingo aky ny hoaviko a.

Mirary anao ho sambatra,
Tsy hahatsiaro sy hitanisa akory ireny vita na iray segondra monja,
Fa sambara eo anilany,
Ny foko koa madio.

Fa rehefa tony iny ianao...
Dia ho tantaraiko sy ho lazaiko izay niafina rehetra.

Njakahery ANDRIAMALALA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
59 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALA
Nampiditra : Njakahery
Daty : 12/09/2024 19:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0497