SATRIKO (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRIKO

ENy satriko dia satriko,
Ilay fitiavanao na tsy hitoetra eto intsony,
Sy haharihary eto imasoko rehefa eny an-tratrany eny,
Aza asiana ahiahy fa ny ahy ny fo tony dia tony,
Aza atao ankiafinafina f'izaho tsy hiady velively

Satriko aza ianao tantanany,
Mba ho sambatra kokoa sy ho tsikitsiky hatrany,
Tsy hahatsiaro na hanaimbona indray irony lasa,
Izay niarahana nigoka, ho lavitra anao anie izany,
Vinavinan-tsika ireny enganie mba ho voafafa.

Satriko aza ianao nandao,
Fa tsy hoe mbola eto ihany hiara- hiaritra izay mafaitra
Aza manahy akory hoe: mety mbola ho nenina na hoe fitaka ireny,
Ny eto anie ka sento lava, efa mila tsy ho laitra,
Ifalio sy itsikio izay fitiavana omeny,

Satriko aza ianao tsy ho ahy,
Raha toa ka fijaliana no hiainanao eto amiko,
Tsy ho zakanao mantsy izany ketokin'ny jaly,
Ianao ho anatin'ny izany anie ka tena tsy tantiko


Eny satriko tokoa,
Satriko aza ianao, raha eny an-tratrany eny,
Mba higoka fahasambarana izay tsy hitanao taty,
F'ity embona ihany, aza sainina hoe foafery,
Mazahoa izay irina dia mirary soa aky.


Njakahery ANDRIAMALALA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
49 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALA
Nampiditra : Njakahery
Daty : 14/09/2024 19:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139