ZANDRY...! - nofinofin'ny saina
Azo vakiana?
Zandry...!
Raha misy tian'ialahy
Ka miserana any ho any,
Izay mambabo ny fanahy
Aza serina avy hatrany
Aza dia misasasasa,
fa saino aloha dia mahandrasa.
Raha izy kosa indray
No avy dia manafosafo
Aza maika ny andray
Sao dia ho vidina lafo,
Raha toa mahery vaika,
Mahandrasa fa aza maika.
Raha fantatra mialoha
Fa tsy aharitra ela akory,
Aza mbola avela hifoha,
Avelao aloha hatory
Aza maika ny amin'zany,
fa sao ialahy dia hitomany.
Raha toa hoe mipaka,
Nojerena toa mamony
Ka efa tena latsa-paka,
sy mivelatra ny vony,
Dia avelao izy amelana
Avelao ka aza ferana.
Rehefa tonga ny fotoana
Tsapa samy tena tia,
Ny soratanako eny foana,
Raha hiaraka ho doria,
Tiavo izay ka aza ariana,
Na ho irery ka angiana.
Mombamomba
Mpanoratra : nofinofin'ny saina
Nampiditra : tojoninofyDaty : 11/06/2015
Mpamangy : 1039
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RAHAMPITSOHAFATRA HO ANAO
ADY RARINY
TAKARIVA!
ERITRERITRA!
SORATY IHANY
TSIKY INDRAY MITSIKY!
ANY HO ANY MISY FO...
ZANDRIKELY!
ITY PENIKO MISOSA