Fiainana mandalo (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fiainana mandalo,

Aza matahotra mizara
F’izay mizara manan-jara
Aza matahoatra miteny,
F’izay mananatra no Reny.

Aza manahy ny ho ampitso,
Atreho ny anio fa tsy mahadiso,
Ny bainga voavadika tandroany,
Hahatonga anao hioty mamy.

Aza mitsahatra mitia,
Ny hankahala sanatria,
Tsaboy raha misy ratram-po,
K’Izay handratra, tsy ahavoa.

Fitsaboana natioraly,
Mitsikia hatrany hatrany,
Fa ny fiainana mandalo,
Ny ady lava atsaharo.

Nosy Malala
Septambra 2026
--------
Rohy:
7 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0128