Hifaly ho an’ny fahaleovan-tena (Nosy Malala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hifaly ho an'ny Fahaleovan-tena,Ao anatin'ny sarotra no mila mifaly,
Mba hampiakatra ny moraly.
Atao ahoana moa ny hidongy,
Nefa ny firaisankina no fanafody,
Tanjona iray ny tsimaintsy ho tafita,
i Madagasikara itambarantsika.
Ho zaraiko koa ny hira faneva,
Teny malagasy, irina hateza,
Ho arahan’asa ny antso natao,
Ny fihavanana tsy kilalao.
Fahamarinana sy asa vita,
Izay no tanjona raha te ho tafita.
Eny atsangako ambony ny saina,
Ho tazatazaniko isa maraina.
Ilay fotsy, mariky ny fahadiovana,
Ilay mena, Fitia tsy mety torovana,
Ary ny maitso dia fanantenana,
Zon'olombelona ho an'ny mpiray tanana.
Rehefa maro anisa ireo
TIA TANINDRAZANA !
Nosy Malala
Jona 2026
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Hevitra mandeha
TononkaloNM
(
23/06/2026 12:16)
https://fb.watch/HWbmbhCF92/
