MALAGASY TSY MIVAKY (Nosy Malala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malagasy tsy mivaky,Ampianaro aho hitia,
Ity tanindrazako ity,
Tsy ny Betsileo ihany,
Na Merina afovoan-tany,
Fa ilay Malagasy iray,
Eny ho mandrakizay.
Foko valoambinifolo,
No Malagasy manontolo,
Raha misy ny manava-tena,
Hampizara, tsy ekena,
Izany-Madagasikara izany,
Dia foko maro, tsy mifanary.
Ny Antandroy sy Sakalava,
Efa niara namboatra zaza,
Moa mahagaga ve izany,
Ny fo tia, hitia hatrany,
Ka raha misy izay sorena,
Dia fahavalom-pirenena.
Tsimihety, Zafisoro
Samy havana daholo,
Na Sihanaka na Bara,
Samy taovan’i Gasikara.
Ka na tsy tany aho no teraka,
Dia mbola gasy petaka...
Antam-bahoaka, Antaifasy,
Moa va tsy mifamatsy ?
Betsimisaraka, Antakarana,
Gasikar-iaraha manana,
Antaimoro, Bezanozano,
Dia malagasy iray trano.
Tanala na Mahafaly,
Efa natamban-janahary,
Ny Antakarana sy Bara,
Samy mponin’i Gasikara.
Antaisaka, Antanosy,
Malagasy iray fonosy.
Ny akory sy mana(o a)hoana,
Dia Malagasy tafahoana,
Karakôry sy salama,
Taroniko tsy ampisalasalana,
Satria izaho dia Malagasy,
Ilay Malagasy tsy mivaky.
Nosy Malala
Iray volan’ny teny Malagasy
Jona 2026
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
