Moramanana (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moramanana,

"Moramanana" dia tsy anarana ihany,
Fa toetra ihany koa ananana eto an-tany.
́’lay maka moramora ny tsy an’ny tena,
Na tany na akoho na karazana harena.

Maka mora fotsiny, ny fananan’ny hafa,
Heverina fa zò, ka tsy mihafahafa.
Tsy misalasala, mihevitra fa tompony,
nefa tsy azy akory fa izy no sarotiny.

Eny misy koa ireo vady vita mariazy,
Dia mbola maro ny moramanana azy.
Tsy mifidy io na ray na renin-jaza .
Ny tokan-trano avy eo no indro rava.

Ny Ain’ny hafa koa dia misy maka mora,
Minomino foana sa babon’ny vola ?
No rendrika tanteraka, mivarotra fanahy,
Zatra mora-manana ka diso mahasahy.

Nosy Malala,
Aogositra 2026
--------
Rohy:
335 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0167