Mpisintonamiakatra, Mpanosikaniantatatra (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpisintonahiakatra, Mpanosikaniantantatra.

Ela izany ry Mpisintonahiakatra,
Taiza angaha, sa mba niala sasatra.
Izaho indray manohy, tsy ankieraera.
Izay miezaka mitroatra, atosiko hianjera.

Ah! Mpanosikaniantantatra, ela tsy nihaona.
Ilay fomba fanao ve mbola tsy niova foana ?
Faly ve izato izy, mamarina ny hafa,
Hianjera any an-tantatra, eny mety haratra !

Angaha moa hita e, izay ny ahy no fifaliako,
Satriko ny hafa, ho any ampaladiako,
Ndrao mantsy izy ireny, tonga hihoatra ahy,
Ka tsy mety amin’ny saiko, avariko ny ahy.

Saino ihany ry Mpanosikaniantatatra.
Ireny voazera ireny raha natosikao hiakatra...
Mety ho mpamboatra trano, na koa ho mpitsabo...
Mifototra ihany raha diso toerana ny hambo.

Inona moa no iasako saina amin’izany,
Mpanosikaniantantatra mijery ny androany.
Ny tenako aloha no masaka ato an-tsaina.
Io masoandro io, tsy tiako ho zaraina.

Veloma ary ry Mpanosikaniantatatra.
Misy maro ao an-tsaha, miezaka hiakatra.
Tsy ianao no hendry na hoe adala ihany koa.
Mety mbola mangeja, ireo ratrampo taloha.

Aza ilaozan’aho ry Mpisintonahiakatra,
Ity toerako ity anie tsy tena lafatra.
Misy mpitsabo ve, hanampy sy hanafaka,
Iriko koa ny ho tonga Mpisintonahiakatra.

Nosy Malala
Oktobra 2026
--------
Rohy:
8 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.346