Ampidiro aloha ny tenimiafina
NY TENA FAHORIAKO (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy noho izaho very silam-panahy,No mampitomany ahy.
Fa noho ianao ry neny, fa noho ianao ry dada!
Ianareo mitabataba,
Mifanao taim-bava,
Ka sady miady lava;
No mahatonga ahy hitoloko:
Satria malahelo be ny foko.
Mijery anareo mifanaotao...
Mifamono toy izao !
Ka etsy holazaiko,
Ny mamparary ny aiko,
Sy ny zavatra tsy tiako:
"Ianareo roa miady no tena fahoriako" !
09/12/17
Tamin'ny 08 ora latsaka folo minitra maraina
--------
Lien:
Fans:
NpAugust1
