TARA LAVA (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ramose ah!
Aza kapohina aho fa mba maharary,
Jereo ny masoko fa mila hitomany.
Miaritra ny ratra ary koa ny fery:
Tsy fantatrao hoe: "izaho kamboty irery".
Tsy eo intsony na i Dada na i Mama;
Ka voatery aho handeha hikarama...
Vao mangiran-dratsy dia efa miala ao an-trano,
Iny izaho lasa mandeha mantsaka rano!
Rehefa vita izany, izay vao mba kiasy;
Miomana ny saina fa hamonjy lakilasy.


Fa tsy maintsy miasa aho,
Na dia ho tara ka ho voasazy;
Sao mantsy tsisy vola handoavana "ekôlazy"...


Izany ramose no iainako lalandava,
Dia diso ve izaho raha toa ka tara lava?

27/10/17
Tamin'ny 11 ora latsaka fahatelony
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo
207 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116