You are here: home > Vetso

FANIRIANA IHANY - Riantsoa

Azo vakiana?

Etsy ange ry olona iny
indramiko ny molotrao
mba lazao azy kely

tsy hoe, hono, manadino
fa manao sangodim-panina
hananganana tadio
hitondra rivo-baovao
satria tiako hiredareda
ny dona-tsetroka miavosa
manangan'aloka maria
tiako hirehitra indray
ilay afon'ny fitia
mangatsiaka antaravelona

tsy hoe mamafa ny taloha
fa mba tiako hodiovina
irony lasa, lasantsika
nihosom-bovoka hatrizay
feno tsero-dromoromo
maditiditim-pilam-baniny
mitakoperitry ny akisa
tiako hangirana indray
ilay efitranontsika
efa drodroky ny omaly

vetso ihany, hono, ny azy
faniriana efa havozona
tsiry mba ho fitsiriritra
ilay fitia niaraha-nanorina

izany ange ry olona iny!

Sokajy : Hafatra

Hametraka hevitra

Midira aloha