SOA IHANY TEO NY NOFY (Riantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia ho nofy ihany sisa ve no hilazako indray
ireo vetsovetsom-poko fiangaliko hatrizay?
Raha toa tsy nisy nofy, iza moa no itanisàko
ny androm-piainako rehetra; ny taraina, ny adalako?

Dia ho nofy sisa ve no navelanao hiteny
sy handrotsirotsy ahy amin'ireny kalo ireny?
Miangavy re ry Lala, miverena re ry Tiako
mba hampisy lanja indray izay anton'ny nisiako.

Soa ihany teo ny nofy, soa ihany teo ianao
ahafahako mamorona tontolo vaovao;
tiako loatra mantsy, Lala, tena tiako tsotr'izao
ny fitsikinao malefaka anaty nofiko ao

Avelao re aho ry nofy hitampify eo ihany,
hiangoty aminao, anomezo nofy mamy,
itondray nofy tsotr, ivimbino nofy lalina,
mbahotantaraiko azy rehefa tong'indray ny alina
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fisarahana - Fitiavana
1328 1
Hevitra mandeha
nnn1 ( 29/11/2010 10:13)
itny ary aho fa tonga d aona?
rainstorm ( 15/12/2010 08:10)
Avia ary eto an-tratrako fa efa ela ny niandrasako anao!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209