Hazo fijaliana (Ny Ala Zohimbato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitomany sy milatsaka izatsy ranomaso
Soa fa nisy tanana hamafana ny tarehy
Mitanondrika tsy tafitraka fa be ireo ankaso
Avia sy havanana tsy hita izay aleha

Ny olana eo tsy afaka, ny hafa efa tonga
Mitady vahaolana andro aman'alina
Ny vatana mahia, tsy azo atsoina hoe donga
Fa babena ireo sendra na dia tsy hafa-miarina

Mitady ho very hevitra, inona no atao
Ny olona anampy, tsy hita ho antsoina
Mizaka ny tsy eran'ny aina re ty izaho
Ny tena mety amgamba dia aleo aho ho vonoina

Marary aloha ah' izao dia tsy miteniteny
Miezaka mitraka sy mitsabo tena
Tsy resy tsy akory fa sendra mba nianjera
Mbola miariary fa tsy voatakopery

Ny Ala Zohimbato
--------
Rohy:
22 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123