Hadinonay i Madagasikara (Ny Ala Zohimbato)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hadinonay ny tantara ka any amin'ny hafa no mitady vahaolana,Hadinonay ny teny ka ny an'ny vahiny no zary hifotorana;
Na ny alahamadibe, na ny fararano, toa zary hikipiana
Fa ny fomban'ny vaza, no indrahindrainy, sy toa mba hitsikiana
Nefa ny tany mbola eo, ny rà mbola malagasy,
Mbola miandry ny feon'ny fanahy izay mangasihasy
Ny lohataona mbola eo, ny volambitana atsy ho atsy
Fa tsy mahasarika ny saina fa toa efa lany daty
Anarana sisa ianao ry Gasigarako,
Fa hadinonay tanteraka ny mombanao rehetra
Ny fady sy fombanao izay tokony hiadanako
No tsy hiasako saina fa lazaiko misy fetra
Ny Ala Zohimbato
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana
