Ny tody (Ny Ala Zohimbato)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izahay angaha izao naninona, fa ianao no nisafidy ny hitodi-doha makany ?
Izahay angaha niteny, fa ianao no nanapakevitra ny ampihotsaka ny tany ?
Tsy nikofoka akory fa sitrapon'ny Alakamisy no nanambadiany ny Ambaniandro.
Namafy ianao fa rivotra, dia jinjao ny tadio, na tsy hiposaka masoandro.

Ny soa atao levenam-bola, ny ratsy atao loza miantona.
Koa raha mbola ela ve ny tody, dia ny saina no akatona?
Avy eo mandrora mitsilany, ka nahavoa tena.
Mizaka azo fijaliana, dia milaza mahonena.

Ny tody anie tsy misy, fa ny ataonao no miverina.
Ny vali-kafatr'ilay Nahary anie ka avo roa eny !
Dia zakao ao aloha ny anao, sy izay niaraka nandetika.
Fa vao manomboka ary izy io, mbola aiza vao ho rendrika ?

Maina ary ny tany, mbola hita fa malama
Ny kapok'Andriamanitra no tsy zaka manadala.
Koa avadio aloha ny lela, na im-pito ary tsy maninona
fa tsy ny fiainan'olon-kafa no ataonao tsinon'inona.

Ny Ala Zohimbato
--------
Lien:
187 1
Fans: Zohimbato
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.013