NY ZANAKY NY MATY (Ny Ala Zohimbato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao maheno fotsiny ireo izay sisa velona
Fa misy fizarana ofa-tany izay aranty,
Dia tsy ao anatin'ny kaonty fa hoe manelingelina,
Odiana tsy hita akory ireo zanaky ny maty.

Misy ary moa fivarotana fanana,
Tsy azy ireo akory fa zavatry ny maty.
Rehefa tonga ny fotoana hizarana mba hiadanana,
Dia ireo zanaka indray no tsy ao anaty taratasy.

Ny hatsembohan'i dada no amidy eny an-tsena,
Ny lova navelany zaraina tsy an-kijanona.
Dia eo izahay taranaka fa mihenahena,
Lazaina ho mpanakorontana, manao izay ahafanina.

Ny velona no mifaly, ny velona no mitsara,
Ny taranaka tsy anisan'ireo izay mba mivatsy.
Fa ireo ankizy sy taranaka amam-para,
Atao toy ny vahiny, tsy manan-jo hitaky.

Mikaoty tsy misy ve ireo zaza navela ?
Tsy rany sy nofony, tsy lovany sy fony ?
Ka rehefa mikimpy ny mason'i Edena,
Dia mikipy miaraka aminy ihany koa ireo zony.

Tsy ny vola ihany akory no mankarary ny fo,
Fa ilay fanilihana sy fiziriziriana.
Mihevitra izy ireo fa tsy hisy ny hanjo,
Misy tsy mahafantatra ny tody mankadiry.

Aza afenina aminay ny marina, tantara,
Aza atao fitaovana ny fahanginan'ny kamboty.
Fa mety mangina anio ireo zanaka amam-para,
Nefa tsy midika izany fa tsy mahafantatra ny zony.

Dia tsarovy tsara, ry mpizara lova an-kafetsena,
Ny vatan'i Dada mety ho levon'ny tany.
Mety ho hadinonareo hatramin'ny anaran'i Neny,
Boribory anie ny tany sao androra mitsilany !

Ny Ala zohimbato
--------
Rohy:
15 1
Mpakafy: Zohimbato
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0171