NY SARINAO (Ny Ami)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SARINAO

Eto antongom-parafara aho no miondakondan-tsandry,
Tsy tafandrimandry mahita iretsy sarintsika
miranty feno tsiky etsy andoha fandriana iretsy.
Jereo anie ireto isika e!lafatra aoka izany
Toy ny tsy eto an-tany fa mirindra anaty habaka,
Tena hita hoe miavaka e?

Eto aho ity no manisaisa rihana..
manofy hoe mamihina dia manoroka mangina..
Variana dia variana mamisavisa antsika
sy itsy sary indray mipika,
voarakitra ho sodoko sy tsy levona ato am-poko.

Eny ….!!!
eto antogom-parafara aho no misaina ireo zava-bita…
ireo fanaontsika rehafa hatory sy ny sisa,sy ny sisa,
ny fahalasananao, habangana mahaory
dia tsy tamana am-pandriana fa tena ngolingoly

Eto aho ity malala a!!
Eto antogom-parafara…
miaritra fanala sy mangatsika tsy misy namana
dia mamisavisa ireto sisa mba fananana…
fananana nilaozanao ka na feno aza tsy ampy hanitra
fa angamba nilaozan’Andrimanitra, dia inao angamba izany
ilay tokako eto an-tany.

Itsy sarinao itsy sisa no hany mba fambara fa nandalo teto an-tany,
saingy ny foko manontolo dia efa rakotra tomany ka tsy te hijery izany
tsy misy mahasoloanao ny teny an-dalambe sy izay rehetra nobanjiniko
ka aleoko ity sarinao ity no hataoko maty antanana dia horohako sy fihiniko….

Ny AMI
--------
Rohy:
1608 1
Mpakafy: NYAMI
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : NYAMI
Daty : 16/10/2015 13:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167