Malagasy.... (Ny Ami)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gasy........

Mahantra ianao ry Gasy a!
Akohokely fatorana mahazaka
Dia io mangasihasy
Tsy afaka mitraka.

Mahantra ianao ry Gasy a!
Voalevom-belona
Mijaly ampitsanganana
raha miteny dia voatrerona
Darohana, manganana
Mijaly ianao!

Mijaly ianao ry gasy a!
Gejaina sy rahonana
Raha sahy mitari-tolona
Ka toa mitonantonana
Vahiny an-tanin'olona

Mijaly ianao ry Gasy!
Mitanatana vava,
Miandry fanampiana lava
Miaina anaty tabataba

Eny!!!Mijaly ianao ry Gasy a!
Fa ity taninao ity
Atsy ho atsy mampamangy
Fa ny vahiny no hifehy fa ianao?????
Ianao angamba.......... ho dangy!

Efa hoe mijaly ianao o!!!!!
fa tsindry pôlitika no iainana amin'izao
Ireo vahiny be masiaka
Ireo!!!ireo......... no sefonao!

Fa ny Gasy toa anao???
raha tafakatra kapaina,
raha mitombo koa jinjaina,
raha tafasandrotra vasohana,
raha mitraka moa...... daroana!!

Zany!!!
zany foana ny an'ny Gasy e!!!
niova ny toe-tsaina
mora ambakaina,
tambazina arifolo,
Dia io manimba sy mandoro.

Fananan'iza anefa ireny?
moa tsy an'ny gasy Ray sy Reny?
valio!!! valio Ramalagasy a!
Fa naninona? niandrandra vavabasy???

Koa raha Gasy ianao ry namako
miova........ fa ny tanananao no tananako!!!
Fa Madagasikara fanananao
.......fananako.

Tsy amidy amin'ny hafa
Tsy hosandaina "dôlara"
fa koloiko sy hajaiko
Ho an'ny dimbiko sy fara!

Fa tiko anie ny Gasy e! Hajaiko koa ny taniko
Tsy tiko hangasihasy ny fa tany tena mamiko.!!!

Ny Ami
--------
Rohy:
1270 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : NYAMI
Daty : 14/08/2015 14:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105