NIOVA TONTOLO (Ny Ami)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIOVA TONTOLO!!!

Malala ô! oay bavy mantsy e! Etsy,etsy..... teny farany e!
Tsy faran-teny akory fa fara hafatra mafonja!
Malala a? andray Bavy iky!!Rahampitso angamba,.....
androany mihitsy mantsy e!
hanafatrafatra aho mialohan'ny hisarahana.
Tsy haiko hoe rahoviana no hiaonako aminao?
Fa anio,dieny anio, dia tsy maintsy ho lazaiko ity hafatro eto ity;
Koa meteza ianao hiaino, aiza maika ny handroaka,...aza misendoatra.......
Fa saino am-pitoniana......

Saingy mialohan'ny hilazako dia etsy,.. .
Etsy.... hatamberiko ireo adiadiantsika
Tadidinao ilay isika nifamaly ilay indray hariva iry e???
Hinoako ianao fa efa nanadino ka!!!
Ny ahy anefa mbola ato an-tsaiko,.....
mitoetra ho tantara....tsy lefin'ny omaly....
Omaly mantsy,.......
Omaly no nihantsy, nisehoan'ny hadisoako nanambara taminao....
Nitory ilay fitia,naniry koa ny mba hifankatia.....
Namboraka fa babo e,niondrika fa lavo!!!...

Tadidinao ve izy iny? hinoako ianao fa efa nanadino...
Mbola tafaraikitra ato am-poko anefa ilay teny iray nandratra fo,
nanohina tokoa,... nanimba ahy koa:
Hoy mantsy ianao ;"Tsy mila anao ny fiainako"
Andray re ry lanitra ô! Iza no itarainako?
Ny nilatsahambaratra???
Izany ve tsy moramora ihany....
Fa ny nolavin'olon-tiana no tena mafy eto an-tany....

Inona no hatao hiery sa hiafinina?......
Tsy misy mihitsy angamba...
Fa tsy maintsy misedra izay efa nodiavina.
Miaritra fa tia miondrika fa resy....
hodiana ho tsy misy ireo rehetra nifanesy...

Izay aky ilay resantsika omaly an!
Fa inty ny Ventin-kafatra:
Itanao iny lalana iny???
Ilay manitsy miankavia re e!!!
Ao,...ao...misy hantsana ankiroa,....
haram-bato ny ao ambany an!
Dia aza mitomany,
Aza manontany
fa fantatrao ny tiako hatao.
Any ankoatra aho miandry anao.......

Ny AMI
--------
Rohy:
1651 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : NYAMI
Daty : 22/09/2015 11:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107