0MEO ANAY ( ALBUM ALOKA SY TSIKY ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OMEO ANAY

Tompo o!
Amin'izao fotoana izao ,
Miangavy anao .
'lay maditranao
Henoy izay mba vetsovetsoko
Mitaraina ho an'ny Fireneko ;
Ho an'ny tenako...
Hoa anay vahoaka Malagasy,
Aoka Ianao hitoetra...;
Ato anatinay ,
Dia ho Firenena vanona i
'lay Madagasikaranay .
Ka omeo mpitondra
Hendry sy mahay,
Tsy tia tena!
Ka hampiandana anay
Tsy ho mpisoran-tena ho Mesia
Na hanandra-tena hampivoatra!
Foana ny herisetra
Ny fifampiandaniana
Tsy hisy resa-politika .


16.03.2005 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
92 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718