ADIM-PIAINANA (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adim-piainana

Ny fiainana mazĂ na
Herisetram-pahavalo .
Mety ahatoro nofo ,
Mora sasatra sy ana .

Adim-piainana ! sori-tsaina
Hakiviana mampivarilavo ;
Ka nandaozako ny taniko ,
Hiadiako ny adim-piainana .

Adim-piainana !
Ho resy sa handresy .
Fahavalo vonona hamono !
'ndreo manatona misesy .

Avelao ho avy
Avelao ho tonga .
Fa ho tsenaiko hirahira ...,
Toloko iray mafonja .

Ho tsapan'izy hatrany
Fa tsy kilalao ny adim-piainana.
Hiarahana miady...
Tolona hatramin'ny farany ;

19.09.1988 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
468 24
Hevitra mandeha
NALix ( 07/03/2024 05:37)
tena tsara ilay tononkalo ary mendrika tohanana satria mahakasika ny fiainana ankehitriny na dia efa tamin'ny taona 1988 aza no nanoratana azy
NALix ( 07/03/2024 05:38)
tena tsara ilay tononkalo ary mendrika tohanana satria mahakasika ny fiainana ankehitriny na dia efa tamin'ny taona 1988 aza no nanoratana azy
corali ( 11/03/2024 05:43)
ADIM-PIAINANA . TOA MIHATRA FOANA EEE
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016